Fandroahana demonia ao amin' ny kristianisma

Roahan' i Jesoa demonia ilay moana, sary nataon' i Gustav Dore, 1865.

Ny fandroahana demonia na fandroahana demony dia fanao ao amin' ny fivavahana kristiana izay anafahana ny olona iray na ny toerana iray amin' ny demonia na demony mipetraka aminy. Ny fandroahana demonia dia matetika sahanin' olona manana fahefana ara-pivavahana manokana.

Amin' ny ankapobeny, ireo olona heverina fa misy demonia (na demony), izay atao hoe demoniaka, dia tsy heverina ho marary saina, sady tsy tompon' andraikitra amin' ny zavatra ataony (tsy tompon' ny tenany), satria ny fipetrahany amin' ny olona iray dia heverina ho asan' ny demonia izay mahatonga zava-dratsy amin' ilay olona na amin' olon-kafa. Noho izany dia mihevitra ny famoahana demonia ho toy ny fanafody ny mpandroaka demonia fa tsy ho toy ny sazy.

Amin' ny fanao kristiana dia matetika mivavaka ny mpandroaka demonia sady mampiasa fehezanteny voafaritra mazava tsara, fihetsika, famantarana, sary masina, zavatra madinika toy ny firavaka, sns. Miantso an' Andriamanitra na an' i Jesoa (na Jesosy) na ny anjely mba hanampy izy ireo.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search